FIM andiany faha 27 - MAndray anjara feno ny ANMCC
Salons et foires“Madagascar en Mouvement”, lohahevitra ny FIM tamin’ity andiany faha-27 ity.
Anisan’ireo tranoheva maherin’ny 400 mandray anjara ny ANMCC, izay manohy hatrany ny fampahafantarana ny anjara andraikiny sy ireo asa sahaniny ho an’ny mpitsidika sy ny mpiara-miombon’antoka.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny table ronde ihany koa ny ANMCC, niresahana manokana ny lohahevitra hoe :
“Ahoana no hahafahan’ny PME malagasy mifaninana amin’ireo vokatra avy any ivelany ?”
Nandritra izany dia nofakafakaina ireo sakana lehibe atrehan’ny PME malagasy manoloana ny fitomboan’ny entana hafarana avy any ivelany, ary nodinihina ihany koa ireo vahaolana azo apetraka mba hanamafisana ny fifaninanana sy hanandratana bebe kokoa ny Vita Malagasy.
Nandray anjara tamin’ny conférence ny ANMCC, niarahana tamin’ny solotenan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, ny mpiaro ny zoan’ny mpanjifa, ny Conseil de la Concurrence ary ny DCRM, DPC..
Ny lohahevitra nobanjinina dia :
“Concurrence loyale, protéger les consommateurs, réguler le marché et développer le secteur privé.”
Lohahevitra manan-danja satria miresaka ny fomba hahatonga ny tsena hifaninana ara-drariny, hisorohana ny tsy rariny ara-barotra, hiarovana ny mpanjifa amin’ny vokatra tsy manara-penitra ary hanamafisana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara.
Samy nitondra fanazavana sy nizara traikefa ireo mpandray anjara nakasika ny lohahevitra, nahasarika sy nahaliana ireo tonga nanatrika.
← Retour aux actualités