Fitobahan'ny vokatra avy any ivelany : ANMCC mihaino ireo rehetra mpisehatra
Rencontres et échangesNandritra ny roa andro, nisy fihainoana ampahibemaso roa nataon’ny ANMCC, izay niteraka adihevitra mafana momba ny fanafarana entana. Ny 25 martsa dia nifantoka tamin’ny fantsona sy kojakoja plastika ny dinika, ary ny 26 martsa kosa dia momba ny paty maina sy ny serealy ho an’ny sakafo maraina.
Nilaza ireo mpamokatra eto an-toerana fa mitombo amin’ny fomba “manaitra” ny fanafarana, ka mitaky fepetra fiarovana maika. Etsy ankilany, miaro ny heviny ireo mpanafatra, milaza fa tsy mitovy tsena kendrena ny vokatra entiny ary manohana rafitra hetra miovaova. Misy ihany koa ny ahiahy momba ny asa sy ny fanajana ny fitsipika iraisam-pirenena.
Marihina fa tsy mitsaha-motombo ny fanafarana ireo vokatra ireo ary efa mihoatra ny 4 000 t avy ny fanafarana t@!2024 na ny vokatra ara-tsakafo ny fantsona plastika ka mampitombo ny tsindry amin’ny famokarana eto an-toerana izay efa mahatsiaro sahirana.
Manana hatramin’ny 10 aprily ny antoko rehetra handefasana ny heviny an-tsoratra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra izay andrasana fatratra avy amin’ny ANMCC.
← Retour aux actualités