Foaran’ny Fiompiana sy ny Fambolena tao Akadinondry Sakay – Bongolava
Foires et salonsNandritra ny Foaran’ny Fiompiana sy ny Fambolena izay notanterahina tao amin’ny Kaominina Akadinondry Sakay, Distrikan’i Bongolava, ny 29 ka hatramin’ny 31 Mey 2026, dia maro ireo tompon’andraikitra ambony nanatrika izany, isan’izany ny lehiben’ny Faritra, ny Solombavambahoaka voafidy teto an-toerana, ireo Ben’ny Tanàna ary ireo manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Bongolava.
Tranoheva manodidina ny 30 no nijoro nandritra ity hetsika lehibe ity, izay sehatra iray nahafahan’ireo mpisehatra amin’ny fambolena sy fiompiana nampiranty ny vokatra sy ny fahaiza-manaony. Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny ANMCC, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny andraikiny sy ny asa sahaniny ho an’ireo mpamokatra sy ny seha-pamokarana eto an-toerana.
Nohazavaina tamin’izany ny anjara toeran’ny ANMCC amin’ny fametrahana sy fampiharana ireo fepetra fiarovana ara-barotra, izay mikendry ny hiaro ny orinasa sy ny mpamokatra malagasy manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany, mba hahafahan’izy ireo mifaninana ara-drariny sy mampandroso ny Vita Malagasy.
Nisarika ny sain’ny besinimaro ihany koa ny lalao sy hetsika nokarakarain’ny ANMCC, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-9 taonan’ny ANMCC. Marobe ireo mpitsidika nandray anjara tamin’izany ka nahazo loka isan-karazany, izay nanampy trotraka ny hafaliana sy ny fifandraisana tamin’ny vahoaka.
Manamafy hatrany ny ANMCC fa vonona ny hanohy ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny asany manerana ny faritra, mba hahafahan’ny mpamokatra sy ny vahoaka misitraka bebe kokoa ny tombontsoa entin’ny fepetra fiarovana ara-barotra ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny famokarana eto Madagasikara.
← Retour aux actualités